Zazalahy iray, fito taona, no poa-maso tsy fidiny ny sabotsy teo tokony ho tamin’ny 9 ora maraina, tao amin’ny Fokontany Andakoro Toliara, vokatry ny fipoahana tsipoapoaka nampirehetina nampidirina tao anaty tavoahangy kely.
Taitra ny namany niara-nilalao taminy raha vao nahita azy nihosin-dra ny tavany taorian’ny fipoahana ka niantso ny teo amin’ny manodidina. Raha ny fanazavana azo dia ny potiky ny tavoahangy taorian’ny fipoahana no niantefa teny amin’ny masony an-kavia. Tsy voafaritra mazava na «pétard» na zavatra hafa ity nipoaka ity. Voarara ny fivarotana tsipoapoaka amin’izao ka tsy vitsy amin’ny bandy kely sasany no manita-kevitra te-ho Mac Gyver manamboatra kilalao hafakely, satria misy amin’ireo ray aman-dreniny no tsy mahavidy kilalao ho an-janany. Mila arahi-maso ny ankizy amin’ny zavatra lalaoviny na ampilalaoviny azy, fa ny tsy fitandremana kely fotsiny dia mety mampidi-doza.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.