Actualités

Tsimokaretina Ebola Mandady ny trambo eto Madagasikara


  • Alarobia 20 Aogositra 2014

Nikoropaka ny avy eo anivon’ny governemanta taorian’ny tranga nampiahiahy nisy teto Madagasikara ny andron’ny alatsinainy teo.

Nivaky ny praiminisitra Kolo Roger fa tsy milamina intsony ny tenany taorian’ny zava-niseho tamina teratany malagasy iray tonga avy any Liberia noheverina fa nahitana trangana Ebola. Voalaza manko fa nisy fanaviana izay mitovy amin’ny fisehoan’ny Ebola ity olona ity. Nisy noho izany ny fivoriana maika nataon’ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny fahasalamana sy ireo tompon’andraikitry ny fahasalamana tetsy Ambohidahy ny andron’io handinihana maika izay fepetra horaisina mahakasika ity tranga ity. Rehefa natao anefa ny fizahana niaraha-niasa tamin’ny Institut Pasteur, hoy hatrany ny praiminisitra dia tsy nahitana ny soritr’aretina ilay olona izay mbola arahi-maso akaiky no sady tazomina tsiambaratelo ny momba azy. Raha ny mahakasika ny fepetra raisina ho fisorohana ny fidiran’ny aretina eto Madagasikara dia nilaza Atoa Kolo Roger fa hohamafisina ny fisavana ireo olona mivezivezy mivoaka sy miditra ny sisin-tanin’i Madagasikara. Raha ny hita hatreto dia mikoropaka tanteraka ny fanjakana manoloana ity aretina mandripaka any Afrika ity, ary azo lazaina fa nisintona ny teny izay nolazainy ny praiminisitra ny amin’ny hoe : tsy atahorana ny fidiran’ity aretina ity eto Madagasikara.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT