Nisy tranga fanolanana tetsy Tsimialonjafy Mahamasina omaly. Zazakely vao 3 taona no niharan’izany herisetra ara-nofo izany, ary bandy kely tsy mbola ampy taona no nahavita ny asa ratsy.
Nentin’ny fianakaviany teny amin’ny HJRA avy hatrany ilay zaza nojerena ny fahasalamany ary voaporofo tamin’ny fitsirihana nataon’ny mpitsabo fa simba ilay zaza. Saika niharan’ny fitsaram-bahoaka ilay zazalahy nahavanon-doza taorian’izany. Voalaza fa efa saika namono tena tamin’ny antsy io bandy kely io tamin’ny taona lasa fa mbola tsy anjarany ny ho faty. Efa eo ampelan-tanan’ny Polisy Boriborintany fahadimy Mahamasina izy, atao famotorana.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.