TSENAN’NY MOFOMAMY

Nahalafo 200 isa ny mpivarotra iray ny faran’ny herinandro teo


  • Alatsinainy 26 Mey 2025

Tena nandeha ny tsenan’ny mofomamy ny faran’ny herinandro teo teto

an-drenivohitra sy ny manodidina nandritra ny fankalazana ny Fetin’ny Reny. Raha araka ny fanadihadiana natao mantsy dia nahalany 200 isa ny mpivarotra iray nanomboka afak’omaly Sabotsy 24 May saingy ny delestazy no nanimba ny kaomandy. Betsaka ireo tsy vita vokatry ny fahatapahan-jiro matetika. Nanomboka teo amin’ny 6.000 Ar no vidin’ny iray tamin’izany ka hatramin’ny 25.000 Ar, ho an’olona miisa 6, izany hoe : ireo karazana mofomamy zakan’ny fahefa-mividin’ny besinimaro. Nambaran’ny mpivarotra iray sendra anay fa tena niezaka ny Malagasy namalifaly ny Reny rehetra na dia sahirana aza. Samy nivimbina ny isam-batan’olona na dia mofomamy kely iray aza nentina nanamarihana ny andro omaly. Ho an’ireo karazan’entana hafa toy ny tee-shirt misy soratra Neny malala….indray dia fantatra fa be mpividy ihany koa saingy tena niady varotra ny olona. Raha 20.000 Ar no nanombanana izany dia nisy niady hatrany amin’ny 10.000 Ar ny sasany, tranga izay nahitana taratra ny fahasahiranan’ny tsirairay. Isika rahateo mbola ao anatin’ilay antsoina hoe : an-tanan-dany tanteraka. Tsiahivina moa fa mbola telo sosona ihany koa ny fety miandry amin’iny volana Jona ho avy io izay hosantarin’ny Fetin’ny Pentekosta ny datin’ny 09 Jona. Hanaraka azy aorian’izany ny Fetin’ny Ray izay homarihina ny 15 Jona raha tsy latsa-danja amin’ireo ny Fetin’ny fahaleovantena izay hankalazaina amin’ny datin’ny 26 Jona ho avy izao.
Pati
Legende : Tena be mpividy ny mofomamy afak’omaly sy omaly Alahady ! 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT