Actualités

Tsenan’asam-panjakana Miala any koa i “Claudine 2”


  • Alatsinainy 11 Septambra 2017

Mampiteny ny anarany any amin’iny faritra Vatovavy Fitovinany sy Atsimo Atsinanana iny ny vehivavy mpandraharaha iray eo amin’ny sehatry ny fanaovana fotodrafitrasa.

 

Nibaribary izany tamin’ny asa fanamboarana ny biraon’ireo kaominina vaovao amin’ireo faritra ireo. Mba misy ihany orinasa madinika nirotsaka nifaninana fa toa mora foana ny ahazoan’io vehivavy mpandraharaha io ny tsena, izay mampametra-panontaniana azy ireo, hany ka nahazo anaram-bositra “Claudine 2” ity vehivavy mpandraharaha ity. Misy solombavambahoaka iray ihany koa voalaza fa miaro sady manamora ny fahazoany ny tsenan’asa, ka anairan’ireo mpandraharaha ny Bianco na Birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly. Manodidina ny 132 tapitrisa Ariary isaky ny kaominina ny tetibola mihodina amin’io tsenan’asa io. Loharanom-baovao hafa indray koa anefa no andrenesana fa tambin’ny fitazonana amin’ny toerany ny praiminisitra no ambadik’izao raharaha manomboka vaky bantsilana izao. Mamitsaka tsy afa-manoatra ireo Ben’ny tanàna amin’ireo kaominina ireo manoloana izany, satria mandeha ny tsindry fa tsy hahazo birao vaovao raha toa ka ... !

 

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT