Actualités

Tsenan’asam-panjakana Covid-19 Mitaky mangarahara ny firaisamonim-pirenena


  • Alarobia 15 Jolay 2020

Mangataka ny hamoahana ny mangarahara sy ny tamberin’andraikitra momba ny fitantanana ara-bola mikasika ny covid-19 ny Firaisamonim-pirenena. Isan’ny

tsy mbola nahazoana tatitra ny momba ny fahazoana ny tsenan’asam-panjakana. Ny volana jona dia efa nangataka izany tamin’ny CCO ny firaisamonim-pirenena, saingy tsy nisy valiny. Ny lisitr’ireo tsenan’asam-panjakana momba ny fiatrehana, ny vola hoenti-miady na ny “fonds de riposte” no angatahan’izy ireo mangarahara ny fomba nitantanana izany. Ady hevitra hatrany am-piandohana ny momba ny fangaraharana ara-pitantanana ny fanampiana iraisam-pirenena izay efa manodidina ny 600 tapitrisa dolara, ny tetibola miodina ao anatin’ny CCO,… Isan’ireo naneho izay fangatahana fangaraharana izay ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena Rtoa Christine Razanamahasoa ny 03 jolay teo. Nilaza ny Filoham-pirenena ny alahady 12 jolay teo, fa mangarahara ny fitantanana, kanefa toa samihafa ny fomba firesaky ny samy mpitondra, toy ireo fiara tsy mataho-dàlana maro be, izay nandanian-Rtoa Lalatiana Andriatongarivo rora mihitsy fa fiaram-panjakana natao “requisition” sy nampindramin’ny orinasa manana fiara. Ny filoha anefa nilaza fa novidiana. Ahoana ny momba ireo fiara fitondrana marary nampiana ny anaran’ny Filoha tany Toamasina? Ohatrinona ny vola miodina ao anatin’ny CCO sy ny rafitra vaovao vao natsangana?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT