Nahitana fiakarany matetika ny vidin’ny gazoala sy ny solitany tamin’ity taona 2016 ity, raha ny tatitra voaray avy eo anivon’ny Ofisim-pirenena misahana ny akoranafo na ny OMH etsy Behoririka.
Im-pito nahitana fiakarana ny vidin’ny gazoala nanomboka ny volana janoary 2016, in’enina kosa ny solika fandrehitra. 2320 Ariary ny litatry ny solika fandrehitra hatreo amin’ny faha-15 ny volana janoary raha tafidina hatrany amin’ny 2290 Ariary kosa izany nanomboka ny 1 desambra 2016. Ho an’ny gazoala indray dia 3070 Ariary ankehitriny raha toa ka 3090 Ariary ny volana janoary. Teo anelanelan’izay anefa niovaova be hatrany io tarehimarika io ka somary nanaitra ihany ny ankamaroan’ny mpahay toekarena satria raha toa ka efa tafidina hatrany amin’ny 1900 Ariary, ohatra, ny vidin’ny solika fandrehitra ny volana martsa dia niha niakatra tsikelikely indray izay nanomboka ny volana aprily ka tsy niverina nidina raha tsy efa taty amin’ny volana septambra. Toy izany ihany koa ny vidin’ny gazoala raha toa ka efa tafidina hatrany amin’ny 2540 Ariary ny volana martsa dia tafakatra hatrany amin’ny 3010 Ariary rehefa tonga ny septambra. Nanoloana izany dia nilaza avokoa ny ankamaroan’ny mpahay toekarena fa tokony hitohy hatrany ny fihenam-bidin’ny solika satria izay no zava-misy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.