Efa matetika loatra ny trangana fanendahana amin’iny toerana iny raha ny nambaran’ireo mpivarotra manodidina ny tsena. Anisan’ny tsy mamparisika ny olona hiantsena amin’iny toerana iny ny fisian’ireo mpanao sinto-mahery ireo ka aleo izahay hanala ny fonay. Izany no anisan’ny re teny an-toerana vao tratra ity tovolahy ity....
Omaly antoandro tokony ho tamin’ny iray ora tany ho any tokoa mantsy dia mpiantsena ndeha hividy laoka iny indray no lasibatr’izy ireo ka saika nahalasa ny poketra nisy ny vola. Soa fa nalaky niantso vonjy ilay ramatoa ka vetivety dia nitangorona ny olona, sady nifarimbona nanenjika ilay lehilahy ka tsy lasa lavitra ity farany dia tratra. Tezitra ny olona ka samy nidaroka nanala ny fony teo. Tsy ela koa anefa dia tonga ny mpitandro ny filaminana eny amin’ny tsena ka nitondra ilay mpanao ratsy teny amin’ny manampahefana. Saika tsy nanaiky ny olona fa nilamina ihany avy eo. Ny tena atahoranay, hoy ny mpivarotra iray teny an-toerana dia ny hahavotsotra ny mpanao ratsy rehefa tsy misy mpitory kanefa ireny ihany no miverimberina eto sady mitondra namana. Raha nanontaniana kosa ilay vehivavy voakasika dia nilaza fa tsy hitory satria efa tafaverina ny entany. Nangataka moa ireo mpivarotra ny mba hanafaizana izay rehetra nanao ratsy ka tsy ho afaka mora foana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.