Actualités

Tsenambaro-panjakana Fay ny mpandraharaha, tsy misy mpanontany firy intsony…


  • Alakamisy 30 Martsa 2023

Miharatsy hatrany ny raharaham-pitantanana an’I Madagasikara. Mihatery ny làlana ho an’ny Mpitondra, ary toa vao mainka mitarika azy ireo hanao izay saim-patany.

Tena tafalatsaka anaty ny lalina ny firenena ary tapitan-dalan-kaleha ny fitondrana. Efa tsy atokisan’ny olona intsony na mpandraharaha eto an-toerana, eny fa na ireo vahiny ihany koa satria dia tsy mitana ny teny omena kanefa tsy mitsahatra manao fampanantenana ny Fitondrana. Malaina ireo orinasa ny hividy bokin’andraikitra na “cahier de charges” amin’ny tsenambaro-panjakana. Hita ao amin’ny Atokon-draharaha misahana ny tsenambaro-panjakana na ARMP izany fa tsy sahala amin’ny teo aloha intsony aloha ny fahazotoan’ny orinasa fa ny orinasa mpanavao sisa no manao. Ny tomponandraikitra misahana ny tsenambaro-panjakana mihitsy izao no mitady sy mandresy lahatra mpandraharaha hanatanteraka ireo tetikasa mbola kasaina hatao saingy tsy mahita mangirana satria mbola maro dia maro ny vola tsy voaloan’ny fanjakana tamin’ireo mpanao ny asa taloha nanomboka ny taona 2021 sy 2022 izay tsy nahazahoana vola mihitsy. Voarirarira eny amin’ny Tahirimbolam-panjakana na efa nahazo fankatoavana fa tokony haloa vola aza. Vokany, mihantona ny ankamaroan’ireo asa tetikasan’ny filoha satria mandalo fahasahiranana goavana avokoa izao ny mpisehatra amin’ny tsenambaro-panjakana. Orinasa roa, dia ilay manatanteraka fanamboaran-dalana eto an-drenivohitra amin’izao fotoana sy an’ilay mpandran-draharaha mifanolana ara-pitsarana amina mpitantana orinasan-gazety ihany izao no manao asan’ny fanjakana amin’ny ankampobeny, fa ny hafa mitandrina mafy sy tsy te hidi-kizo. Tsara rahateo ny mampahatsiahy fa nisy ny fanapahan-kevitra teo anivon’ny Filankevitry ny Minisitra ny 19 janoary 2023 teo nilazana fa tsy hampadalovina tsenambaro-panjakana ny fanamboarana làlam-pirenena sy làlana maromaro noho ny hamehana, ka heverina ihany koa fa nentina natao vahaolana araka izay maha diavolana ny sain’ny mpitondra hialana amin’ireo mpandraharaha hoadiana adala sy nanomezana vahana ireo akamakama sisa.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT