TSENABEN’NY FIZAHANTANY SY NY ASA TANANA

Hosokafana manomboka anio etsy Mahamasina


  • Alakamisy 21 Novambra 2024

Hotanterahina manomboka anio Alakamisy 21 Novambra etsy amin’ny kianjan’i Barea Mahamasina

haharitra 3 andro ilay tsenaben’ny fizahantany andiany fahavalo sy ny tsenaben’ny asa tanana andiany voalohany karakarain’ny Ofisim-paritry ny fizahantany eto Madagasikara na ny ONTM. Trano eva manodidina ny 130 isa no handray anjara amin’izany ho an’ireo misehatra amin’ny fizahantany raha 90 isa kosa ho an’ny asa tanana. Tanjon’ny mpikarakara ny mba hahafahana mampiroborobo ny sehatry ny fizahantany anatiny amin’ny alalan’ny fisarihana ireo mpizahantany ho fanomezana tombony ireo miantsehatra amin’izany no sady hahafahana mampidi-bola vahiny betsaka ihany koa. Hampahafantarina mandritra izany koa ireo karazana toerana azo tsidihina sy hahafahana miala sasatra eto amintsika mba tsy hisy ho tompon-trano mihono. Na eo aza anefa izany dia fantatra fa hoataon’ny Ministera tompon’andraikitra laharam-pahamehana kosa ny ady amin’ny Fizahantany mamoafady mihatra amin’ny ankizy tsy ampy taona eto amintsika sy ny fizahantany miaro ny tontolo iainana. Voakasik’izany ny any amin’ireo Nosy kely toa an’i Sainte Marie izay tena manimba ireo tovovavy vao misondrotra tokoa noho ny hamaroan’ireo tera-tany vahiny tonga any an-toerana manimba sy manapotika ny ho avin’izy ireny.
Pati
Sary indrana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT