Actualités

Tsenaben’ny fizahantany Mpitsidika maherin'ny 5 000 no andrasana


  • Alakamisy 12 Novambra 2020

Tontsosaina eny amin'ny zaridainan'Antaninarenina manomboka anio, ary haharitra telo andro (12-13-14 novambra 2020) eny amin'ny zaridainan'Antaninarenina, ny "Tsenaben'ny Fizahantany", karakarain'ny Ministeran'ny Fitaterana,

 

 

ny Fizahantany ary ny Famantarana ny toetr'andro (MTTM), iarahana amin’ny Ofisim-pirenena misahana ny fizahantany (ONTM). Mpitsidika maherin'ny 5 000 no andrasana mandritra ny 3 andro. Tranoheva miisa 17 ahitana an’ireo matihanina amin'ny fikarakarana, 32 fivahinianana no mandray anjara, ahitana ireo trano fandraisam-bahiny, Agences de voyages/Tour-opérateurs, mpampanofa fiara, fa indrindra ny kaompaniam-pitaterana TSARADIA. Hatrany amin’ny 50% ny fihenam-bidy aroson'ireo mpikarakara fivahinianana ireo. Tanjona ny hanome vahana ireo mpandraharaha ara-dalàna sy hampahafantatra an'ireo tolotra any amin'ny faritra samihafa.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT