Actualités

Tsena Petite Vitesse Hiroso amin’ny fanamboarana azy ny CUA


  • Alakamisy 02 Novambra 2017

Niatrika fivoriana tsy ara-potoana ny Mpanolontsain’ny Tananan’Antananarivo Renivohitra nanomboka ny alatsinainy sy ny talata lasa teo.

                                     

Tao anatin’izany dia nisy lahadinika 7  naroso ho dinihana, nisy koa ny fampahafantarana fotsiny aloha.Nolanian’ny mpanolotsaina ary fa hisy ny fanitsiana sy fanavaozana ny” Plan d’Urbanisme Directeur” izay efa tamin’ny  taona 2004 no nisy  fanavaozana farany .Nekena ihany koa ny fanomezana alalana ny fanamborana sy fanavaozana ny tsenan’i “Petite Vitesse “ary ao anatin’ny mangarahara ny asa atao ,hisy ny vaomiera atsagana amin’ny fanara-hamaso ny asa rehetra. Nandritra ity fivoriana tsy ara-potoana ity ihany koa dia nisy ny fampahafatarana  sy fanazavana mikasika ny fiaraha-miasa amin’ny Sampan’asa Frantsay momba ny Fampandrosoana na ny AFD, tamin’ny alalan’Andriamatoa Bertrand. Nambarany fa ny Ministeran’ny Vola sy ny Ministeran’ny Raharaham-bahiny Frantsay no miahy ny  AFD  . Miasa amin’ny Firenena 75 ity Sampan’asa Frantsay ity ka an’isan’izany I Madagasikara . Ho an’ny firenena Malagasy manokana dia 45 ankehitriny ny tetik’asa efa eo an-dalam-panatanterahana ka anisan’ny mahazo tombotsoa lehibe koa ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny kaominina 36 hafa indrindra amin’ny resaka fampandrosoana an’Antanan-dehibe .Nanambara koa ny solon-tenan’ny AFD fa  hiditra amin’ny andiany faha 3 atsy ho atsy ny “Tetik’asa Lalan-kely . Tsy maintsy misy ny fanadihadiana ahafahana misafidy ireo Fokontany hanaovana ny “Tetik’asa Lalan-kely”. Raha ho an’Antananarivo manokana dia anisan’ny tsy maintsy jerena manokana izay faritra tena be olona  . Fa ankoatra izay dia fotodrafitr’asa lehibe vatsian’ny AFD vola koa ny lalana mampitohy  ny Marais Masay sy ny By Pass ,  mirefy 8 Kilometatra, izay hotanterahana amin’ny faran’ity taona ity .Tsy maintsy hisy koa ny fandraisana an-tanana ireo tokantrano miisa 1000 izay tsy maintsy hoesorina eo amin’ny faritra  lalovan’ny lalana amboarina .  Hitondra fanampiana   ny AFD eo amin’ny tontolon’ny fanadiovana, ka voakasik’izany ny lakandrano sy ny fivarinan’ny rano maloto . Tsy ataon’ity Sampan’asa Frantsay momba ny Fampandrosoana ity ambanin-javatra ny fanampiana ny Kaominina amin’ny lafiny fahaiza-manao na ilay antsoina hoe  “ Renforcement de Capacité “ mba hiteraka vokatsoa sy  hiakaran’ny tahan’ny fidiran-ketra.Naroso teo anatrehan’ny fivorian’ny mpanolontsaina ny mahakasika ny “IT University” amin’ny fanaovana “Informatisation en Réseau”, fiaraha-miasa amin’ny CUA, fampahafantarana fotsiny aloha no natao.Nodinihana koa ny momba ny “cimétière” etsy Anjanahary ary ny fangatahan’ny orin’asa TOM  hanangana “Pylone” eo amin’ny tanin’ny CUA any Ankarihary ,distrikan’ Ankazobe.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT