TSENA ETSY AMIN'NY

TETEZAN' AMPASIKA


  • Talata 12 Mey 2026

Hanamboatra tsena vaovao ny Ben'ny tananan'i Bemasoandro

Tao anatin’ny 40 taona mahery no nisian’ny Bekoveta na ireo mpivarotra hena amoron-dalana tao Bemasoandro Ampasika, kaominîna Bemasoandro, distrikan'Atsimondrano..Tsy izaho izay vao herintaona teo amin’ny fitondrana akory hoy ny Ben'ny tananan'i Bemasoandro Ranitratsilo Jimmy no hanala mpivarotra sy hanapaka ny “sotro fihinanana” an’ireo vahoaka marobe ireo. Amim-pahendrena noho izany no ilazako hoy izy fa ny “famindran-toerana ” no tena vahaolana mety amin'ny alalan'ny fanamboarana tsena vaovao. Mila fifampiresahana sy fandaminana miaraka amin’ireo mpivarotra izany, ary efa niresaka tamin’izy ireo isika. Mbola hamafisina indray izany amin’ity herinandro ity. Manaiky tanteraka aho fa vavahadin’Itaosy ihany koa ny tetezan' Ampasika, ary fotoana izao handaminana azy mba ho mendrika sy milamina kokoa ho an'ny mpampiasa lalana rehetra ao Itaosy-Unis izany. Na izany aza anefa dia tsara marihina fa raha voalamina tsara ireo mpivarotra eo Ampasika hoy izy dia efa hisy fiovana lehibe. Ny tena olana lehibe hoy hatrany izy nanohy ny teniny dia ny hamaroan’ireo fiara mandalo isan’andro sy ny moto . Lalana vaovao na tetezana vaovao eny amin’ny axe Maki na Ambohitrimanjaka noho izany no isan’ny tena vahaolana maharitra amin’ny fitohanan’ny fifamoivoizana. Ho an’ity faran’ny herinandro ho avy ity moa dia hiroso amin’ny fanamboarana ny passage zébré ho an’ny mpandeha an-tongotra ny kaominîna ho fiarovana sy filaminan’ny rehetra.
Pati
Légende : Hahazo toerana vaovao tahaka izao ireo mpivarotra amoron-dalana etsy Ampasika !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT