Fangatahan’ireo minisitry ny Varotra afrikana nivory tany Addis-Abeba ny volana aprily 2014 ny hanitarana ho amin’ny 15 taona manaraka ny lalŕna mifehy ireo entana aondran’i Afrika any Etazonia tsy misy haba raha tokoany hifarana amin’ny septambra 2015
. Nazava moa ny fanambarana nataon’ny filoha amerikana Barrack Obama farany teo fa ny Kongresy amerikana no tompon’ny teny farany momba izany. Mahatratra hatrany amin’ny 4.500 moa ireo karazana vokatra azo ampidirina ao amin’ny tsenan’ny Agoa. Anjaran’ireo firenena afrikana isanisany kosa no miezaka mamaly ireo tolotra takian’ny filàna anatin’ny tinady amerikana. I Madagasikara ohatra dia misongadina amin’ny famokaran-damba. Eo ihany koa ny sehatry ny asa tànana sy ny vokatry ny tany toy ny lavanilina, cacao na jirofo. Azo eritreretina koa ny fanondranana harena an-kibon’ny tany toy ny solika ankehitriny. Fanamby goavana miandry ny firenena Malagasy anefa ny lalàna henjana mifehy ny tsena amerikana dia ny fanaraha-penitra sy ny fanajana ny lalàna velona ao amin’ny taniny. Takiana amin’ireo firenena tsirairay voafidy ny fandrafetana paikady nasionaly hamantarana ireo sehatra fototra miaraka amin’ireo vokatra fanondrana afaka mifaninana eo amin’ny tsena amerikana, araka ny fihaonana farany mikasika ny Agoa. Eo indrindra no mipetraka ny fanontaniana ny amin’ny fahavononantsika eto Madagasikara.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.