TSARATANANA

Lehilahy iray nanolana sy nahabevohoka zaza tsy ampy taona


  • Alatsinainy 04 Martsa 2024

Lehilahy iray manodidina ny 30 taona indray no fantatra fa nanolana sy nahabevohoka

zazavavy kely iray tsy ampy taona vao 12 taona monja tany Ambohidronono, kaominina ambanivohitra Ambakireny, distrikan'i Tsaratanàna. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia in-telo naolan’ity lehilahy tsy mataho-tody ity io zazavavy kely io tamin’ny volana Desambra teo. Vokatry ny fiovan’ny fihetsik’ilay zaza tsy manan-tsiny moa no nahafantarana ny fanolanana nahazo azy. Notantara izy rehefa nanontaniana ary nentina tany amin’ny mpitsabo kinanjo efa nitoe-jaza ihany koa. Efa voasambotry ny zandary miasa any an-toerana tamin’ny faran’ny herinandro teo moa ilay lehilahy ary efa mandeha ny famotorana ankehitriny. Efa 2 volana kosa ny kibon’ilay zaza hoy ny vaovao, ka mety tsy afaka hanohy ny fianarany intsony izy mandrapahaterany. Tsiahivina moa fa miisa 144 hatreto ny trangana fanolanana hita sy fantatra ary voarain’ny eo anivon’ny Fitsarana etsy Anosy raha mbola tsy fantatra ny ambiny.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay mpanolana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT