Actualités

Tsarasaotra Noraisim-potsiny ilay inspektera sandoka


  • Talata 08 Septambra 2020

Mpitondra moto iray tsy nanao aroloha no nosakanan'ny Polisy avy ao amin'ny Troisième Compagnie d'Intervention tetsy Tsarasaotra ka saika tsy nety hijanona ary nilaza fa mahafantatra Polisy ka hiantso izany raha tsy avela handeha izy, hoy ny fampitam-baovaon’ny Polisim-pirenena.

 

 

Tsy nanaiky izany ireo Polisy nisakana ny moto ka niantso ilay havany tamin'ny finday milaza ho Polisy ilay mpitondra moto. Tonga teny an-toerana tokoa ary ity lehilahy milaza ho Inspecteur de Police izay nanao akanjo ba maintso ambony toy ny an'ny Polisy ireny. Rehefa niresaka tamin'ireo Polisy ity farany dia nangatahana ny karatra maha Polisy azy sy ny asany ka fantatra tamin'ny fomba firesany sy ny fihetsiny fa tsy Inspecteur de Police ilay lehilahy no sady tsy nanana "badge" sy carte professionnelle fa karapanondro milaza ny asany ho mpamily ny teny aminy, hoy hatrany ny polisim-pirenena. Nosamborina avy hatrany ity mpisandoka andraikitra ity ary ilay moto kosa dia nogiazana eny amin'ny kaomisaria, toy ireny moto tsy manara-dalàna ireny.

 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT