TSARASAOTRA AMBOSITRA

Renim-pianakaviana teraka kamban-telo


  • Alatsinainy 05 Febroary 2024

Tokantrano iray tany amin’ny kaominina ambanivohitra Tsarasaotra,

distrikan’Ambositra no nahazo kambana telo mirahalahy rehefa naniry zazalahy mafy. Raha araka ny fantatra mantsy dia efa nanana zaza telovavy ilay ankohonana kely. Avy hatrany dia tafakatra 6 mianadahy ny zaza ao an-trano noho izany no sady misasaka ny isan’ny lahy sy ny vavy. Tonga tany an-toerana namangy sy nitondra rom- patsa ary nanome torohevitra maro ho azy mivady sy ny fianakaviana ny Tale-paritry ny Fahasalamana sy ny MI raha ny Talem-paritry ny Mponina sy ny Firaisankina Yasi Iri kosa no nisolotena an-dRamatoa Minisitry ny Mponina Haingo. Narahina fanomezana maromaro izany hahafahan’ity fianakaviana ity mikarakara tsara ireo menaky ny ainy vao tonga sy izy 3 mirahavavy zokiny.
Pati
Legende : Ireto ry kambana telolahy, faly sahirana ny fianakaviana nahazo azy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT