TSARARIVOTRA TOAMASINA

Ramatoa saro-piaro dia mila vaniny amin’ny vehivavy tsara tarehy ?


  • Alatsinainy 20 Janoary 2025

Ahitana trangan-javatra maro samihafa ao Toamasina ao.

Ramatoa iray manodidina ny 40 taona indray no fantatra fa tena saro-piaro mafy amin’ny vadiny ary mitarika disadisam-piaraha-monina hatrany. Raha araka ny fantatra mantsy dia ilan’izy io vaniny avokoa izay vehivavy tsara tarehy sy bikana mandalo manoloana ny tranony rehefa mitodika mankany amin’izy ireo. Voalaza ho amoron-dalana mantsy ny trano misy azy ireo. Ho fiarovany am-badiny tsy hierika amina vehivavy na ho lasan’ny olona no voalaza ho antony mahatonga izany ka nisy tamin’ireo vehivavy ireo no efa nifamaly taminy mihitsy raha ny vaovao azo avy any an-toerana. Tsiahivina moa fa mariky ny fitiavana olona iray ny hasarotam-piaro eo amin’ny olon-droa. Na izany aza tokony ho lanjalanjaina ihany izany mba tsy hampanaotao foana na hifamaliana aman’olona mihitsy.
Nangonin’i Pati
Legende : Sady masiaka olona no masiaka tsy fandriampahalemana eto Toamasina !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT