Actualités

TSARAMIAKATRA MANDOTO Dahalo handeha hanafika, lavon'ny balan'ny miaramila D.A.S


  • Talata 05 Aogositra 2014

Nidiran'andro ireo andian-dahalo saika hanafika tao amin'ny tanànan'i Befanenitra, fokontany Tsaramiakatra any Mandoto fa sendra ny mpitandro ny filaminana ny faran'ny herinadro lasa teo. Raha ny tatitra azo tany an-toerana dia tsikaritry ny olona ny fahatongavan'izy ireo, izay toa mirongo ody gasy sy fitaovam-piadiana toy ny basy calibre 12

Nampandre avy hatrany ny toby tao Mandoto ny fokonolona ka tsy ela dia tonga ny miaramila. Raikitra avy hatrany ny fifampitifirana teo amin'ny roa tonta ka lavon'ny miaramila ny jiolahy roa ary tafaporitsaka ireo roalahy niaraka taminy. Netin'ireo dahalo nitsoaka ny basin’ireo dahalo voatifitra ka mbola hifampitadiavana hatramin'izao. Tavela teo amin'ireo maty kosa ny ody gasy maromaro teny aminy fa tsy nalainy. Mitohy ny fanadihadiana amin’izao fotoana, ary angatahan’ny fokonolona any an-toerana ny mba hisian’ny “ operation coup d’arrêt” any amin’ny kaominina Mandoto fa mandripaka loatra ny asa-dahalo ary azo lazaina fa fotoanany izao main-tany izao.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT