Actualités

Tsaramasay Zazarano nisy nanary teny amin’ny fako


  • Zoma 27 Jona 2014

Zazarano mbola nisy tadim-poitra no nisy nanary tao anaty fako teny Tsaramasay amin’ny moron’ny lakandranon’Andriantany omaly maraina. Ny mpandalo no nahita ny vata mangatsiakan’ity zaza ity

Ny fahitan’ny rehetra nanatri-maso teny an-toerana dia zaza vao teraka mihitsy ity nisy nanary ity. Tsy nosaronana sady tsy nofonosina ilay izy fa dia napetraka tsotra izao teo amoron-drano. Tonga teny an-toerana ny BMH naka ny razana, tsy fantatra aloha hatreto hoe zanak’iza ilay izy, na iza no nanary ilay zaza. Ontsa ireo rehetra nahita izao tranga mampalahelo sady mahatsiravina izao ary samy lasa fisainana sy nanontany tena hoe fa dia olona tahaka ny ahoana loatra no sahy manary zaza tsy manan-tsiny vao teraka tahaka izao ?  Inona no antony ? Inona no olana ? Na inona na inona anefa ambara  dia zava-doza foana ny tahaka izao ary manaporofo fa tena misy ny olona tsy miraharaha mihitsy ny fanajana ny zo fototra maha olona sy ny zon’olombelona ary tsy miasa saina fa tena mahavanon-doza amina zaza menavava.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT