Tsaraina anio atsy Maurice Ravatomanga

Giazan’ny Fanjakana Malagasy


  • Alakamisy 20 Novambra 2025

ny kaontim-bola 30 sy ny fananany eto

Namoaka didy manan-tantara ny Fitsarana Malagasy amin’ny Pôle Anti-Corruption, ka nandidy ny fanagiazana ireo kaonty manodidina ny 30 sy ny fananana rehetra toy ny trano amin’ny anaran-dRAVATOMANGA Maminiaiana, Filohan’ny vondrona SODIAT, izay voampanga amin’ny famotsiam-bola, fanodinkodinana volam-panjakana,... Voarakitra antsipirihany ao ny didy laharana faha-295-CSCA navoaka tamin’ny 12 novambra 2025 ny anaran’ireo banky sy ny kaonty maro, ka banky miisa 5 eo dia ny BMOI, SBM, BNI, ABM, ary ny BRED no misy an’ireo. Nambara fa azo ekena sy ara-dalàna ny fangatahan’ny Lehiben’ny Mpitsara Mpanao Fanadihadiana, araka ny didy 2019-015 momba ny fanarenana fananana azo amin’ny fomba tsy ara-dalàna. Natao io fanagiazana io mba hiarovana ny tombontsoan’ny Fanjakana Malagasy. Nandidy ny fitsarana amin’ny fanakanana ny fivoahan’ny vola amin’ireo kaonty amin’ny anaran-dRAVATOMANGA Maminiaiana, izay misokatra amin’ireo banky sy andrim-pampindram-bola maro eto Madagasikara. Nomena iraka ny ARAI (Agence de Recouvrement des Avoirs Illicites) mba hanao ny firaketana ara-dalàna amin’ny fanakanana ireo kaonty ireo ao amin’ny rejisitra ofisialy. Tsy misy tatitra mazava kosa ny mety ho totalim-bola amin’ny anaran-dRavatomanga ao anatin’ireo kaonty maro be notanisaina ireo. Ny talata lasa teo, tsikaritra ho somary nitandrina ny Minisitry ny Fitsarana Fanirisoa Ernaivo mikasika ity raharaha ity hoe : ny famerenana ny vola dia any amin’ny farany. Rehefa misy ny fanamelohana, dia arahin’ny fanagiazana, ny famerenana. Misy aloha ny fanadihadiana, iza no nanao azy, ohatrinona ny vola voahodinkodina,… Tsy mahazo manaonao foana, mpandraharaha izy, tsy hoe izay manam-bola dia nangalatra, fa tsy maintsy porofoina hoe : ohatrinona ny vola azony tamin’ny Fanjakana, ohatrinona no azony tamin’ny fandraharana,… hoy i Fanirisoa Ernaivo.
TSARAINA ANIO ATSY MAURICE
Anio 20 novambra 2025 no voafaritra fa hitsarana an’i Mamy Ravatomanga atsy Maurice, izay heverina fa hafana kokoa. Izy izay efa tratry ny fanagiazana ihany koa ny petra-bolany amin’ny banky ao ao amin’ity Firenena. Somary mihasarotra ny fiarovan-tenany noho ny sata misy azy satria tsy misitraka ny maha diplaomaty azy noho ny fanesorana ny zo maha Kaonsilàn’i Côte d’Ivoire sy Serbie azy nataon’ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny Malagasy ny 14 novambra. Amin’ny lafiny iray, mety ho taratry ny fahafahany na sazy tsy dia henjana ve ny fahafahana vonjimaika arahina fandoavam-bola na « liberté sous-caution » ho an’ireo olona 3 voarohirohy ho mpiray afera aminy ? Hitodika kokoa amin’ny resaka heloka ara-toekarena ka ireo volabe sy fananany no hogiazana. Raha hiverenana hatrany, dia mampiteny ny moana ny sora-bola ao anatin’ity raharaha ity : kaontim-bola 180 tapitrisa dolara, famotsiam-bola 640 tapitrisa dolara, afera ara-bola 20 miliara dolara,… Miankina betsaka amin’ny atsy Maurice ny mety ho tohin’ny eto !
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Faminaniana vaovaon'i Pr Mailhol
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Amin'ny 2030

  • Fampandrosoana miainga
  • Zoma 24 Aprily 2026

amin’ny famokàrana Nampiharin’ny mpanjanaka

  • Tany eto madagasikara
  • Zoma 24 Aprily 2026

Hofoanana ny tany colons,

  • Business day
  • Zoma 24 Aprily 2026

andiany voalohany

  • NY TENA FIAINAN-DRAMALAGASY
  • Zoma 24 Aprily 2026

MARIO mpitondra lakana

Hijery ny tohiny
FTT