Nitrangana fanafihan-jiolahy indray tany amin’ny Kaominina Tsarahonenana Sahanivotry, Distrikan’Antsirabe II ny herinandro lasa teo ka mpivarotra tao Anoramena, Fokontany Sahanivotry no lasibatra. Raha ny fanazavana nomen’ny lehiben’ny Zandary tao Tsarahonenana Sahanivotry ny Adjidà sefo, Be Victorien dia ny zoma 06 jona no nitrangan’ity fanafihana ity ary mponina tsy lavitra azy ireo ihany no nanafika.
Am-polony izy ireo no niditra an-keriny nandroba tao ka ny vola avy hatrany no notadiaviny. Saika tsy hamoaka vola ilay ramatoa tompontrano ka nataon’izy ireo takalon’aina ny zanany vavy izay norahonany sy nambanany antsy hovonoina. Natahotra izany ramatoa ka namoaka ny vola 650.000 Ariary nisy tao aminy. Vao nahazo ny vola moa ireo jiolahy dia nitsoaka. Niantso vonjy ny tao an-trano taorian’izay. Tonga mody nijery sy hamonjy teo ihany koa moa ireo jiolahy ka fantatr’ilay ramatoa avy hatrany ary natondrony ny Fokonolona. Nandritra ny rahom-bava nataon’ireo mpandroba azy ireo dia tsikariny fa mamofona rongony ireo jiolahy ka rehefa voasambotra dia nosavaina izy ireo ka mbola tratra tany aminy ny ambin-drongony nofohany. Natolotra ny fampanoavana omaly alatsinainy ireo jiolahy niisa 5 tratra ireo ka mbola vao 17 taona monja ny iray tamin’izy ireo. Mbola karohina kosa ireo namany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.