Actualités

Tsaradia lasa any La Réunion Tsy mitondra mpandeha amin`ny fiverenany


  • Sabotsy 16 Mey 2020

Nisy ny sidina niala teto Madagasikara nitondra ireo Frantsay hody any Frantsa. Nanainga omaly tamin` ny 9 ora ka tonga tany amin` ny Nosy La Réunion ny fiaramanidin’ny Tsaradia nitondra ny andiany voalohany, nahitana mpandeha 57.

 

 

 

Ao an-toerana indray ireo mpandeha ireo no handray ny sidina Air Austral, io andro io ihany, ka niazo an’i Paris Roissy any Frantsa. Eo ampiandrasana fankatoavana amin’ny fitondrana malagasy ny sidina faharoa, tokony hitondra ireo teratany frantsay hanainga amin’ny 21 mey 2020. Fiaramanidina an’ny kaompania Air France no hitondra azy ireo miainga mivantana eny Ivato hiazo an’i Paris CDG. Tsara ny manamarika fa tsy mitondra mpandeha ny Tsaradia amin’ny fiverenany eto Madagasikara. Tsy nahazo fahazoan-dalana ireo teratany Malagasy sy vazaha zanatany mihitsoka atsy La Réunion maniry hody an-tanindrazana, na manaiky ny hanaraka ny fepetra ara-pahasalamana takiana toy ny fihibohana mandritra ny 14 andro aza.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT