Actualités

Tsaboto Joslina Tsy mahazo manitsaka ny tokontanin’ny CNaPS


  • Alarobia 19 Jolay 2023

Mbola raharaha tsy milamina ny etsy amin’ny CNaPS satria na dia navoaka ny fonja aza ny tale jeneraly mpisolo

toerana na DGpi ao amin’ity tahirim-bolam-pirenena momba ny fiahiana sosialy ity, Tsaboto Joslina, dia natao eo ambany fanaraha-mason’ny fitsarana, hoy ny fampitam-baovao voaray omaly. Norarana tsy mahazo manohy ny asany intsony izy, hoy ny fanazavana. Tsy mahazo manitsaka na miditra amin’ny toeram-piasany ihany koa, izany hoe na dia ny tokontanin’ny CNaPS aza. Mbola tsy nisy fanendrena anefa, hoy ny fampitam-baovao azo omaly atoandro, fa dia misy inona loatra no atao tahaka izao ny DGpi ? Etsy andaniny dia mitohy ny ramatahora sy antsojay mahazo ireo mpiasa eo anivon’ny CNaPS. Raha ny loharanom-baovao hatrany dia nandefasan’ny polisy ekonomika fampiantsoana ny mpiasa maromaro eo anivon’ity tahirim-pirenena ity. Mbola ramatahora ihany izao atao ny mpiasa izao, hoy ny solotenan’izy ireo. Arahana akaiky ny tohin’ny raharaha.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT