Actualités

Trosan’ny JIRAMA 1000 miliara Ariary mahery


  • Alarobia 19 Jolay 2023

Iza no voky mampijaly vahoaka amin’ny delestazy raha toy izao ny trosa amin’ny solika hanaovana fanagiazana na “réquisition”

amin’ny mpandraharaha ara-tsolika na “Pétroliers”, hoy ny fanontanian’ny mpanara-baovao omaly nahita ny antotan-taratasy maneho izany niparitaka tao anaty tambazotran-tserasera tao? Raha ny tazana amin’ny fafana mikasika ny fanagiazana ahafahana mamatsy ny orinasa Jiro sy rano malagasy na JIRAMA, izany ho an’ny taona 2022 fotsiny izany no resahana dia efa mahatratra 415 miliara Ariary ny trosa, hoy ny fanazavana voaray. Ho an’ny martsa 2023 indray dia nahatratra 667 miliara Ariary. Ny 15 may 2023 dia efa nisy 358 miliara Ariary sahady indray. Haloa amin’ity taona ity daholo ve izany ireo volan'ny mpandraharaha ara-tsolika ireo? 1000 miliara Ariary mahery, raha atao kajikajy tsotsotra izany no fitambarany, kanefa isika koa mbola nambaran’ny filoham-pirenena fa hikarakara lalaon’ny nosy hanana hatsarana avo 10 heny noho ny tatsy Maorisy farany teo.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT