Trosan’i Madagasikara 4 milara dolara nanomboka 2019

«Mitovy amin’ny trosa teo anelanelan’ny taona 1960-2018»


  • Zoma 11 Jolay 2025

Sahirana ara-bola ve ny fanjakàna dia hanao filankevitry ny minisitra mitety faritra

eto Madagasikara izay handaniana firy miliara, hoy ny sendika SSM na «Solidarité syndicale de Madagascar»? Sahirana ara-bola ve, hoy ny filohan’izy ireo, Herizo Andrianavalona, dia mahita vola anaovana fety foana? Delegasionina be dia be foana, hoy izy, no mivoaka mankany an-dafy. Mandany vola ohatrinona ireo anaty kitapom-bolam-panjakàna? Raha sahirana ara-bola ny fanjakàna dia mila mifehy kibo ko aizy fa tsy hanao Bling bling izay heverina fa tsy mahasoa ny firenena. Hatreto aloha, raha ny trosa nobaben’ny firenena malagasy, izay maherin’ny 4 miliara Dolara teo anelanelan’ny taona 2019 hatramin’izao, dia heverina fa mitovy amin’ny trosa teo anelanelan’ny taona 1960 hatramin’ny taona 2018, izay 4 miliara Dolara ihany koa. Tokony mba hita aty anaty vilanin’ny mpiasa izany! Vao mainka miha mahantra izao ny mpiasa! Tsy afaka hijery fotsiny izany ny sendika. Raha ampitahaina ny vidin’ny vary ny taona 2018 sy ny karama, ny karama 1 volana ny taona 2018 dia mahazo eo amin’ny vary 100kg mahery kely eo. Ankehitriny, eo amin’ny vary 65kg eo sisa azon’izany karama farany ambany izany. Rariny dia rariny loatra, noho izany, raha mitaky fampiakarana karama ny sendika ankehitriny satria efa ela no tsy nisian’izany. Tamin’ny taona 2024 no nisy fampiakaran-karama farany, 8%, ho an’ny orinasa tsy miankina amin’ny fanjakàna. Tsy mifanaraka amin’ny vidim-piainana izany satria tena ambany. 268.000 Ariary izao ny karama farany ambany ho an’ny sehatra tsy miankina. Taty amin’ny sehatry ny fanjakàna dia ny taona 2022 no nisy farany izay fisondrotan-karama izay. 3 taona izany izao tsy nisy fisondrotana karama. Fantantsika tsara nefa fa ny tahan’ny sondro-bidim-piainana dia manodidina ny 8 hatramin’ny 10% eo isan-taona. Very 30% any izany ny mpiasam-panjakàna raha oharina amin’izay zavatra izay satria tsy nisy mihitsy izay fisondrontan-karama izay. Ho apetraka any amin’ny filoham-pirenena amin’ny herinandro ny taratasy fitakiana fisondrotan-karama 30% ho an’ny mpiasam-panjakàna sy 100 Euro ho an’ny sehatra tsy miankina.
EFA MANDEHA ANKEHITRINY NY FANANGONAN-TSONIA
Eo amin’ny 1 volana sy tapany na 2 volana eo ka mbola tsy mahazo valiny dia hanao tatitra amin’ny mpiasa amin’ny alalan’ny fivoriambe ny SSM. Ny mpiasan’ny JIRAMA izao naharaisana tatitra fa nampanantenaina fihaonana amin’ny filoham-pirenena. Miandry an’izay izany ry zareo. Heverina fa olon-kendry ireo mpiasa ireo matoa nampiato vetivety ny fitokonana. Teo foana ny SSM, niaraka tamin’ireo sendika hafa toy ny Randrana sendikaly sy ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa nanohana ny tolon’ny sendikan’ny mpiasan’ny JIRAMA satria io orinasa io no hany sisa orinasam-panjakàna mbola tena iankinan’ny fari-piainan’ny vahoaka malagasy. Aza adino fa nandalo «privatisation» na fiofona ho sehatra tsy miankina ny SOLIMA dia io fa mijaly isika amin’ny resaka solika. Tsy voafehin’ny fanjakàna ireo mpandraharaha ara-tsolika. Ny resaka fifandraisan-davitra izao tena iankinan’izao taona arivo fahatelo izao saingy orinasa iray no mitantana azy dia manao izay tiany atao. Izany rehetra izany no mahasarotiny anay amin’ny JIRAMA ary hamerenanay hoe tsy tokony ho sokafana mihitsy ny varavarana mankany amin’ny «privatisation» ho an’izany orinasa izany! Rehefa sokafana ny «capitale social» na petra-bola sosialy ao amin’ny JIRAMA dia lasa misy petrabola na «action» miisa 2600 dia mampametra-panontaniana hoe maninona izany no sokafana raha tena an’ny fanjakàna tanteraka ny JIRAMA? Sao lalana tsimoramora mankany amin’ny «privatisation» ilay izy? Tsy azo ekena izany, hoy hatrany ny SSM!
J. Mirija 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT