Trosa 400 tapitrisa dolara tsy

voaloan’ny Jirama ny 2024


  • Alatsinainy 03 Febroary 2025

Midrikina ireo mpamatsy tsy miankina, mangotraka ny delestazy…

Bokan-trosa 400 tapitrisa dolara na manodidina ny 1800 miliara Ar ny Jirama ho an’ny taona 2024 fotsiny. Trosa tsy voaloan'ity orinasa misahana ny herinaratra sy rano eto amintsika ity amin'ireo mpamatsy azy. Ity trosa ity dia ahitana ny vidin'ny solika sy ny angovo tokony haloan'io orinasa nasionaly io amin’ny sehatra tsy miankina, araka ny voalaza ao amin’ny « Pacte énergétique national pour Madagascar », raha ny tatitry ny fampahalalam-baovao an’habaka iray. Anisan’ny voa mafy amin’ny fahataran’ny fandoavana vola avy amin’ny Jirama ireo mpamokatra herinaratra tsy miankina (IPP). Voalaza fa efa niditra tamin’ny Facilité régionale de soutien à la liquidité (RLSf) aza ny Governemanta tamin’ny taona 2019, mba hahafahan’ny mpamokatra herinaratra latsaky ny 50 MW mahazo fiantohana amin’ny fandoavana ara-potoana avy amin’ny Jirama, saingy araka ny voalazan’ity antontan-taratasy nasionaly ity, dia mbola iharan’ny tsy fandoavana vola ireo IPP ireo. Noho izany, dia ahiana ny fahafahan’ny Jirama miantoka ny fahatokisana amin’ny sehatra tsy miankina amin’ny famokarana herinaratra satria tsy dia misy antoka antoka ara-bola amin’ny famatsiana herinaratra ho an’ny Jirama. Vitsy ihany ireo orinasa « mini-réseaux » afaka namatsy vola ny tetikasany. Na izany aza, ny fanampiana ara-bola sy ny famatsiam-bola mifototra amin’ny vokatra (FBR) avy amin’ny « Projet de développement d’accès à l’électricité au moindre coût » na (Lead) dia nahafahana nampiroborobo ny tsena amin’ny rafitra angovo miankina amin’ny herin’ny masoandro ho an’ny tokantrano. Izany dia nahafahan’ny orinasa sasany namorona fampiasam-bola avy amin’ny sehatra tsy miankina hanohanana ny fitomboan’ny famokarany eto Madagasikara, raha ny fanamarihana. Na izany aza, amin’ny tambajotran’ny Jirama, dia 587 MW amin’ny 828MW no omen’ny sehatra tsy miankina. Midika izany fa 70%-n’ny fahafaha-mamokatra herinaratra dia avy amin’ny orinasa tsy miankina. Ireo mpandraharaha tsy miankina ireo no mamatsy herinaratra ho an’ny Jirama amin’ny alalan’ny CAE (contrats d’achat d’électricité) sy ny fifanaraham-panifana na « contrats de location ». Lojika sy tsy dia atao mahagaga raha mahatratra adin’ny folo na maherin’izany ny delestazy satria tsy voaloa ny volan’ny tsy miankina. Ny saim-bahoaka no lalaovina amin’ny serasera petatoko sy fampanantenana poakaty mandavan-taona arahina tetikasa sy vina manidintsidina, kanefa ny olana tsy mba mihena fa vao mainka mitombo aza !
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT