TRICHA

Alevina anio eny Andraisoro


  • Alarobia 30 Aprily 2025

Alevina anio Alarobia 30 Aprily eny amin’ny fasam-bahiny Andraisoro ny vatana

mangatsiakan’i Tricha, ilay zanaka vavin’i Fandrama nisy namono tao an-tokantrano ny Alahady 27 Aprily lasa teo. Amin’ny 12 ora sy sasany ny razana no hiala ao an-tokantranony ary entina hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra farany ao amin’ny Ekar Maria Manjaka 67 ha. Efa misy moa ny olona ahiahiana fatratra amin’ity raharaha ity. Mihalalina hatrany ny fanadihadiana hataon’ny mpitandro ny filaminana koa inoana fa ho fantatra tsy ho ela ny marina. Tsiahivina fa vao 17 taona i Tricha raha miisa 4 kosa ireo iraitampo aminy. Tokony hiatrika ny fanadinam-panjakana Bakalorea izy no izao nisy nisompatra izao. Niditra an-keriny tao an-tokantranony ireo olon-dratsy. Nofatoran’ireto farany ny tanany izay voalaza ho folaka mihitsy ary naolany ilay tovovavy kely tsy manan-tsiny avy eo. Namoy ny ainy vokatr’izany Ratompokovavy. Mila mailo sy mitandrina isika eny anivon’ny fiaraha-monina eny fa efa tena miharatsy ny fiainana. Aleo hidina hatrany ny trano na ny vavahady rehefa irery ao an-tokantrano ny tena na ny ankizy. Tokony halavirina ihany koa ny fampidirana olon-tsy fantatra ao an-tokantrano ao. Ireny mantsy amin’ny ankapobeny no mivadika ho gisa mainty rehefa entin’ny fialonana na koa ny fitsiriritana.
Pati
Legende : Manantena ny hivoahan’ny marina tsy ho ela momba ny zanany ilay nitondra folo volana an-kibo an’i Tricha !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT