Actualités

Trésorerie principale » Ambalavao Nanjavona ny 400 tapitrisa Ar, olona 7 nosamborina


  • Alarobia 19 Aprily 2023

Tsy trano vaky, tsy vata fitoeram-bola na “coffre” very na vaky, fa dia nanjavona ny volabe 400 tapitrisa ariary tao amin’ny « trésorerie principale » Ambalavao,

faritra Matsiatra Ambony Faritanin’I Fianarantsoa ny faran’ny herinandro teo. Nivaha tamin’ny fomba ara-dalàna ny fitoeram-bola, fa ny vola efa tsy tao intsony tsikaritra, ary voalaza fa ny alin’ny 14 aprily tany ho any no vaky, saingy nosarontsaronana. Olona 7 no efa nosamborina hanaovana fanadihadiana amin’izao fotoana izao. Mpitandro filaminana no miambina azy io, mifandrimbona amin’izany ny polisim-pirenena sy ny zandarimariam-pirenena, ary mifandamina ka miovaova isam-bolana amin’ny fiambenana. Ny polisim-pirenena no miandraikitra izany amin’ity volana ity, fotoana nisian’ny fahaverezam-bola be. Izy ireo no miantsoroka ny fanadihadiana, ka nisamborana ireo olona 7 ahiahiana. Mbola tsy fantatra mazava ny zavatra nitranga, saingy ahiana ho tetika sy tsikombakomba avo lenta efa tsara omana.
KARAMA TSY VOALOA
Nialohan’ity tranga ity, dia efa niteraka resabe ny tsy fandraisan’ny mpiasan’ny kaominina Ambonivohitr’ Ambalavao karama efa tao anatin’ny 3 volana, ka nisian’ny fitokanan’izy. Voalaza fa tamin’izany fa 420 848 415Ar ny totalin'ny volan'ny Kaominina Ambalavao mipetraka sy mihitsoka any amin'ny “trésor” na tahirimbolam-panjakana. Voalaza fa mitotaly eo amin’ny 44 755 443 Ar ny karaman'ny mpiasa isam-bolana ka 134 233 329Ar ny karama 3 volana, raha ny tatitra. Misy ifandraisany ve ireo toe-javatra miisa 2 ireo sa fifandrifian-javatra ihany? Efa nilamina ny volan’ny kaominina sa ity nisy nanapoaka ity ? Tsy vao sambany amin’ny resaka fanjavonana volabe na fanodinkodinana na koliloly ao lenta teto itony, indrindra tao anatin’izao fitondrana izao itony. Andrasana ny ho tohin’ity raharaha ity hoe: hivoaka ve ny marina? Ho tafaverina ve ny volabem-panajakana nisy nangalatra tamin’ny fomba avo lenta sa ho vitavita ho azy tahaka ny volamena 36kg nivadika ho korotam-by tao amin’ny Minisiteran’ny harena an-kibon’ny tany ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT