Tratry ny IST

i Harilala Ramanantsoa


  • Alakamisy 26 Martsa 2026

Tsy misy hidirako ny findramam-bolan’ny SMGD tamin’ny CNaPS ! »

Namoahana didy tsy fahafahana mivoaka ny sisin-tanin’i Madagasikara na IST ny ben’ny tanànan’Antananarivo teo aloha Harilala Ramanantsoa, ary tsy maintsy mandalo eny amin’ny tendrom-pitsarana momba ny kolikoly na ny PAC isaky ny 15 andro. Nanamafy izy omaly tetsy amin’ny PAC 67HA fa nampidirina ao anatin’ny raharaha findramam-bolan’ny Orinasa SMGD (Société Municipale de Gestion Digitale) eo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra na ny CUA tamin’ny tahirim-pirenena momba ny fiahiana ara-tsosialy na ny CNaPS. 5 volana izay no nisokatra ny fanadihadiana, ka ny tenany sy ireo rehetra tafiditra ao anatin’izany dia tsy maintsy manao « pointage » eny amin’ny PAC. « Ny antony nahatafiditra ny tenako amin’ny maha ben’ny tanànan’Antananarivo ahy, dia nenjehina sy voarohirohy tao anatin’iny findramam-bola iny izay tsy misy hidirako moa satria mbola tsy nanana andraikitra aho tamin’ny 2022, ary tsy nisy nidirako mihitsy tao anatin’izay », hoy i Harilala Ramanantsoa. Nambarany anefa omaly fa vesatra na « inculpations » 10 no natao aminy, saingy heveriny fa tsy ho ela dia afaka vahana izany satria raha ny momba ny findramam-bolan’ny SMGD tamin’ny CNaPS dia tsy mbola tompon’andrakitra ny tenany, araka ny fanamafisany. Tsiahivina fa ny febroary 2021 no nisy fifanarahana findramam-bola 11 miliara Ar nataon'ny CUA tamin’ny alalan’ny SMGD tamin'ny CNaPS, izay misy zana-bola 7% isan-taona, averina anatin’ny 60 volana. 5,880 miliara Ar mahery no voaverina, ny ambiny tsy mbola voaloa 7,187 Miliara Ar, raha ny fanazavana nentin’ny Tale Jeneralin’ny CNaPS teo aloha Atoa Vimbina Rahaingontajovo ny 5 novambra 2025. Hatreto, ambany fanaraha-mason’ny fitsarana i Harilala Ramanantsoa, tsy maintsy mandalo amin’ny PAC isaky ny tapa-bolana, tsy afaka mivoaka ny sisin-tany,… Na tao anatin’ny naha ben’ny tanàna azy aza araka ny filazany, dia niteraka sakana tamin’ny asa io satria maro ny asa tokony natao raha tsy hilaza afatsy ny maha ao anatin’ny birao mitantana ny fikambanan’ny ben’ny tanàna Frankôfônina aza izay nisy fivoriana in-droa saingy tsy afaka niatrika an’izany. Tsy nidradradradra ny zava-misy satria manaratsy endrika an’Antananarivo sy Madagasikara anefa, raha ny filazany.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT