Maro ny trangam-piaraha-monina amin’izao. Ankizivavy enin-taona voalaza ho tratran-drenikeliny nangala-pihinanana no may nitsovaka tarehy notondrahan’ity farany rano mangokatra ny antoandron’ny alatsinainy teo, tao Ambohitrabo Toliara.
Tsy nahatanty ny fahavoazana nanjo ny menaky ny ainy ny rain’ilay zaza ka tezitra ary raikitra ny gidraka teo amin’izy mivady ary niafara tamin’ny fisarahana izany.
Tsy te-hitaiza zana-bady
Raha ny loharanom-baovao, dia maty tamin’ny taona 2012 ny renin’ity zaza ity. Herintaona taorian’io dia naka vehivavy ho ravaky ny tokantranony rangahy. Tany amboalohany anefa dia efa nametraka fepetra avy hatrany ity ramatoa ity, izay nilaza fa “alefaso any amin’ny renibeny io zaza io, fa tsy te-hitaiza zana-bady aho”. Nandà izany anefa ilay raim-pianakaviana satria zanany tokana io. Teo no nanomboka nipetraka ny disadisa teo aminy sy ilay zaza.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.