Tahina Bonheur

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,


  • Alarobia 14 Oktobra 2026

lamandy 4 tapitrisa Ar, onitra 1 miliara Ar

Nilatsaka ny didim-pitsarana manameloka an-dRIVOHARILALA Masiholy Tahinjanahary Larissa na Tahina Bohneur, izay voampanga noho ny fanevatevana sy fanalam-baraka olom-panjakana, ary ny fanaparitahana vaovao tsy marina natao hanentanana ny olona hankahala tompon’andraiki-panjakana, ka manohintohina ny hasin’ny maha olona sy ny fiainana manokan’ireo voakasika, araka ny tatitra ofisialin’ny Minisiteran’ny Fitsarana tamin’ny alalan’ny Mpisolo Tonia Mpampanoa lalàna, Anatole Fenoanarindra Marie Luc. Sazy 4 taona an-tranomaizina miampy lamandy 20 tapitrisa Ariary ary onitra 1 miliara Ariary no navoakan’ny fitsarana, araka ny tatitra ofisialy. Ny volana janoary hatramin’ny jona 2026, nisy ny famoahana lahatsoratra sy horonan-tsary tamin’ny tambajotran-tserasera tamin’ny alalan’ny kaonty Bohneur & loyauté officiel, Tahina Forte loyal, Jolie mode,… raha ny fanazavana. Nentina teo anivon’ny fampanoavana ny raharaha ka enjehina ho nanevateva sy nanala baraka tompon’andraikitra ambony, ka lohalaharana ny Minisitry ny Fitsarana Fanirisoa Ernaivo. Navoitra fa nanao fandrisihana fankahalana sy fanohintohinana ny hasina maha olona, ary fiainana manokan’ny tompon’andraikitra ambony. Nambara fa henjehin’ny lalàna mikasika ny teknolojian’ny fifandraisana sy ny serasera indrindra fa ny lalàna 2016-029 tamin’ny 22 aogositra 2016 sy ny andininy faha-25 ao amin’ny lalàna 2014-006 tamin’ny 17 jolay 2014, mikasika ny raharaha an’habaka. Nambaran’ny Fitsarana fa meloka, voasazy 4 taona an-tranomaizina sy lamandy 4 tapitrisa Ar sazy mihatra, miaraka amin’ilay onitra goavana. Tsy midika fahafahana hanao izay tian-katao ny fampiasana ny tambajotran-tserasera fa misy fepetra. Ekena fa manan-jo haneho hevitra ny tsirairay, saingy raran’ny lalana raha miharo vaovao tsy marina sy manohintohina ny fiainan’ny hafa, hoy ny tatitra. Miteraka fampiharan-dalàna raha misy ny fanitsakitsahana ny lalàna, izay tsy fanakanana ny tsikera ny fanehoan-kevitra no tanjon’ny Fitsarana, fa ny fanajana ny lalàna fototry ny fiarahamonina satria ny teny sy zavatra aparitaka amin’ny tambajotran-tserasera dia mety ho fototry ny filaminana na fikorontanan’ny fiarahamonina, hoy hatrany ny fanambaran’ny Minisiteran’ny Fitsarana. Tsy vao sambany tamin’ny famoahana didim-pitsarana sy fanamelohana goavana ireo mpialokaloka politika any ivelany ny tahaka izao, saingy mbola mananosarotra kosa ny fiaraha-miasa ara-pitsarana amin’ny Firenena vahiny eny fa na ireo manana fiaraha-miasa ara-pitsarana amintsika toa an’i Lafrantsa aza. Mazava ho azy kosa fa miantraika amin’ny zo sivily sy politikan’ireny olona ireny amin’i Madagasikara ny fanamelohana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

Hijery ny tohiny
FTT