Hosaziana izay tratra mandefa
rano maloto amin’ny arabe
Hosaziana izay tratra mandefa rano maloto avy any an-tokantrano mivoaka eny amin’ny arabe manomboka izao ao anatin’ny kaominina Ambohidrapeto, distrikan’Atsimondrano. Vita tsentsina nanomboka ny 12 Oktobra teo avokoa ireo tuyau fanariana rano maloto avy any an-trano mivoaka amin’ny arabe ao anatin’ny kaominina. Nisy araka izany ny taratasy nasiana sonia nampanaovina ireo mponina tamin’ny toerana voakasika fa tsy azo hanariana rano maloto intsony ny lalana. Ankoatra izay dia nasiana jiro manazava ny tanana ihany koa ny ankamaroan’ny lalana ao anatin’ny kaominina ho fiarovana ny ain’ny mponina sy ny fananany. Anisan’izany ny ao Soamiampita ….guest, ny eny amin’ny kininina be ….faran’ny taxibe 143, ny elakelan-trano rehetra. Toraka izany koa ny Fokontany ao Antsahakely, Andrazara, Antsahamasina, Ambanialakely, Antanetibe, Ambodiampanga, Morarano, Akany Ezaka, Ambohidrapeto...Ampolony ireo toerana voakasiky ny tetikasa ho tombontsoan’ny mponina.
Pati
Legende : Nandritra ny fametrahana ireo jiro manazava ny tanana !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.