Tratra nanao firaisana tamin’ny vadin’olona

Lehilahy iray maty notsatohan’ny tompom-bady antsy


  • Zoma 24 Janoary 2025

Lehilahy iray manodidina ny 45 taona no fantatra fa tratran’ny tompom-bady nanao firaisana

tamim-badiny tao Ampatakana Maroreny Mandritsara ny datin’ny 14 Janoary teo. Avy hatrany dia norasarasain’ilay tompom-bady tamin’ny antsy ilay rafilahiny ka namoy ny ainy teo noho eo.Tonga nijery zava-misy ny zandary avy ao Marotandrano ny ampitson’io tranga io ka naka ilay lehilahy tompom-bady izay nahavanon-doza. Saika hakarina fampanoavana ao Mandritsara moa izy ireo saingy nangatahin’ny fianakavian’ny maty ny hitondrana ny raharaha any Andilamena. Samy avy Andilamena mantsy no fiavian’ilay vehivavy efa manam-bady sy ilay Rangahy maty izay nangala-badin’olona io. Andrasana araka izany izay mety ho tohin’ity raharaha ity.
Nangonin’i Pati
Legende : Ahitana vaovao maro eto Mandritsara !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT