Transparency International-Raharaha Romy Voos

« Miantso ny Fitsarana Malagasy handray ny andraikiny »


  • Zoma 09 Aogositra 2024

Tsy nitsitsy ny Transparency International-Initiative Madagascar na TI-IM izay

Fikambanana sy Firaisamonim-pirenena miantsehatra amin’ny ady amin’ny kolikoly nilaza fa toherina ny fizarana vaovao diso sy lainga manoloana ny raharaha Romy Voos Andrianarisoa. Notsiahivin’ny TI-IM fa programan'ny fanjakana anglisy ny famotsorana mialohan'ny fe-potonan'ny sazin'ireo ireo voafonja tsy mahery fihetsika. Noho io programa manokana io, dia nafindra any amin'ny tany izay ananany zom-pirenena ny voaheloka, ary tsy afa-miverina ao Angletera, ary mbola mitombona ny fanamelohana. Hita noho izany, fa nisy ny tetika nataon'ity olom-boaheloka ity ho fanovana ny fizotran'ny zava-niseho, mba handresen-dahatra ny mpanara-baovao, na eto Madagasikara na any ivelany, fa madio tokoa ny tenany, ary vokatry ny fiheverandiso sy tsy fahazahoana ny zava-niseho izao raharaha izao, mba tsy hilazana ny tenany ho niharan'ny tsindry hazo lena, hoy ny TI-IM. Toherin'ny TI-MG marindrano izao tetika famafazana vaovao tsy marina izao iray amin'ireo sakana amin'ny mangaraharaha sy ny fahitsiana, ary deraina manokana ny fihetsiky ny Masoivoho Birtanika eto Madagasikara izay namoaka fanambarana ny 7 aogositra 2024 momba ity raharaha ity ary nanazava ny sain'ny olompirenena sy namerina ny marina : « Mbola mihatra ny fanamelohan'an-dRamatoa Andrianarisoa noho ny fanaovana kolikoy, fa tsy nofoanana na novaina », hoy hatrany io Firaisamonim-pirenena. Mazava koa ny voalazan'ny mpampanoa lalàna ao Angletera izay misahana ny heloka bevava ara-toekarena eny amin'ny Crown Prosecution Service, fa mpiasam-panjakana mpanao kolikoly i Romy Andrianarisoa, ary nisafidy ny hanangon-karena ho azy manokana tamin'ny asam-panjakana nosahaniny ». Nohitrikitrihin’ny TI-IM, fa tsy azo leferina ny kolikoly, na inona na inona toerana sy hery ananan'izay olona tomponʼantoka amin'izany. Niantso ny Fitsarana Malagasy handray ny andraikiny manoloana ity raharaha Andrianarisoa ity ihany koa izy ireo, mba hisian'ny sazy araka ny lalàna ho an'ireo manam-pahefana ambony izany nanao kolikoly. Nampahatsiahy fa tokony homena toerana mavesa-danja ny ady amin'ny kolikoly ao anatin'ny Programa ankampoben’ny Fanjakana na PGE izay vao hatolotra. Manantena fandraisan’andraikitry ny BIANCO izay vao nahazo Tale Jeneraly vaovao! Ho sahy hampiseho ohatra ny Fanjakana eo anatrehan’ity raharaha ity sa hinia mikipy ?
Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT