Transparency International

« Miantso ny vahoaka hahay hifidy, fihantsiana ny nanonganana ny PAN »


  • Talata 09 Aprily 2024

Tao anatin’ny andro farany ho an’ny fametrahana ireo antontantaratasy

firotsahan-kofidiana solombavambahoaka no nosafidian’ny Transparency International – Initiative Madagascar (TI-MG) hanolorana ny HayFidy «Solombavambahoaka ». Fitaovana natao hanampiana ny olompirenena ho an’ny fifidiana ho solombavambahoaka amin’ny 29 may 2024 ity HayFidy ity, taorian’ny fanantanterahana ny HayFidy « Filohampirenena », hoy ny fanazavana. Fitaovana ho an’ny fanapahankevitra sy ho an’ny fifidianana, ka niantsoan’izy ireo ny olompirenena hifidy ny kandidà amin’ny alalana mason-tsivana toy ny mombamomba azy ireo, ny traikefa ara-politika sy ara-kasa, ny tetikasa, ny fangaraharahan’ny vola ampiasaina mandritra ny fampielezankevitra, ny tomban’ezaky ny asa vita teo aloha ho an’ireo efa olom-boafidy sy ireo nanantanteraka asam-panjakana ambony, ny fandraisany andrakitra amin’ny ady amin’ny kolikoly. Noho izany, takiana ny fanajana ny zon’ny tsirairay sy ny fampitoviana ny kandidà rehetra imason’ny lalàna, hoy hatrany ny fampahatsiahivana. Mampatsiahy koa ny TI-MG ny fanomezana ny Komisiona mpanaramaso ny famatsiambolan’ny asa politika (Commission de contrôle du financement de la vie politique, CCFVP) mba hiarovana ny fangaraharahan’ny loharanombola sy ny fampiasana vola ataon’ny kandida. Miantso ihany koa ny manampahefana ny TI-MG mba hanao toy ny anankandriamaso ny tsy fitanilan’ny Fanjakana sy ny mpiasampanjakana mandritra ny zotrampifidianana, amin’ny alalan’ny fampanajana ny làlana sy ny fanasaziana ireo mihoa-pefy. Takiana koa ny tsy hisehoan’ny tsindry na amin’ireo mpiasampanjakana, na amin’ireo mpampianatra, mba hisian’ny zotrampifidianana ara-dariny sy demokratika, hoy ny TI-MG. Momba ny toe-draharaha politika, dia nilaza ny TI-MG tamin’ny alalan-dRtoa Ketakandriana Rafitoson, fa tsy miantso filaminana amin’ny fifidianana ny nanesorana ny Filohan’ny Antenimierampirenena Christine Razanamahasoa tsy ho depiote, fa fihantsiana ady ara-politika. Nipetraka ny fanontaniana hoe : tsy maintsy nirosona ve ny famaizana ara-politika hoy izy ireo, amin'izao akaikin'ny fifidianana izao ? Toa lasa mihantsy ady, kanefa tsy ilain’ny Malagasy ny disadisa, hoy ny fanamarihana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT