Actualités

Tranon’ny mpianatra nirehitra 01 maty, 02 naratra, 60 traboina any Antsiranana


  • Alatsinainy 23 Novambra 2020

Nisehoana haintrano mahatsiravina tao amin’ny toeram-ponenan’ny mpianatra

 

 

tany Antsiranana ny alin’ny sabotsy hifoha alahady teo. Akoson’aratra na " court-circuit" no voalaza fa nahotonga ny loza, hany ka nirehitra tanteraka ny tanàna. Olona iray no namoy ny ainy, roa naratra, maherin'ny enimpolo ireo tsy manan-kialofana, ary maro dia maro ny fahasimban'ny fitaovana sy ny fotodrafitrasa. Naneho ny fiaraha-miory amin'ny fianakavian'ilay mpianatra namoy ny ainy sy nirary fahasalamana tanteraka ho an'ireo naratra mafy ary mankahery ireo tsy manan-kialofana vokatr'izao loza izao, ny Minisiteran’ny fampianarana ambony. Nisy ny fifanomezan-tanana nataon’ny Minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Pr Assoumacou Elia Béatrice, ny filoha lefitry ny antenimieram-pirenena ao Antsiranana, Rahelihanta Jocelyne, ary ny governoran'ny faritra Diana Daodo Arona Marisiky , nitondra vatsy sy kojakoja entin'ireo mpianatra traboina miatrika vonjimaika ny andavanandro manoloana ny voina nahazo azy ireo. Vary 20 gony, legioma 2 gony, menaka 20 litatra, koveta 20, sceaux 20, no natolotra ho azy ireo omaly 22 novambra 2020 no nentina nanampiana ireo lasibatra. Manampy amin'ny fikarakakarana sy fampodiana ny razan'ilay mpianatra namoy ny aina nandritra ity loza ity ny solontenan'ny kabinetra avy eo anivon'ny Minisiteran’ny fampianarana ambony, ny fikambanan'ny mpianatra sy ny mpiandraikitra misahana ny fonenan'ny mpianatra ao Antsiranana, hoy ny fampitam-baovao.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT