Actualités

Tranokalan’ny FAT : Nankaiza ny sarin’ny Praiminisitra Vital ?


  • Alakamisy 21 Janoary 2010

Iray volana izay no nanendren’ny filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, Andry Rajoelina, ny kolonely Albert Camille Vital ho Praiminisitra lehiben’ny governemanta. Efa amperin’asa ity tompon’andraiki-panjakana ambony ity, porofon’izany ny nandraisany fitenenana nanaovany tatitry ny zava-bitan’ny governemanta ny taona 2009 sy ny nandrosoany ireo fandaharan’asa lehibe hotontosain’ny governemantany ny taona 2010.

 

Manana tranokala ofisialy ny fiadidiana ny Fahefana Avon’ny Tetezamita. Voarakitra ao amin’io tranokala io ny ankamaroan’ny fanapahana lehibe raisin’ny fanjakana mahefa. Hita ao anatin’izany koa ireo mpikambana ao amin’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita sy ny eo anivon’ny governemanta. Ny mahagaga ary mampametra-panontaniana ny mpanara-baovao, indrindra ireo afaka mijery Internet, anefa dia tsy ahitana sarin’ny Praiminisitra Albert Camille Vital ny takelaka http://www.hat.gov.mg/gouvernement/ natokana ho an’ireo mpikambana ao amin’ny governemanta. Ny anarany ihany no voasoratra dia izay.
Fanadinoana sa niniana natao ? Mety ho bitika izany fanamarihana izany nefa mety hahalaza zavatra maro koa. Tsy vao ny azy mantsy no tratr’izany, fa nahitana lesoka toy izany koa tamin’ny Praiminisitry ny marimaritra iraisana Mangalaza Eugène. Diso ny anarana voasoratra tao. Efa nanao fanamarihana ity gazety Tia Tanindrazana ity vao nisy nanitsy ilay izy. Iray volana aty aorian’ny nanendrena ny Praiminisitra Albert Camille Vital, tsy ahitana sariny ao amin’ilay takelaka natokana ho an’ny governemanta amin’ilay tranokala. Tsy nisy fotoana nahafahana naka sary azy ? Sarotra inoana ihany izany ! Manana mpaka sary ofisialy na ny governemanta na ny fiadidiana ny Fahefana Avon’ny Tetezamita. Maro koa ireo lanonam-panjakana nahafahana naka sary azy. Tsy ny azy irery fa tsy misy sary ihany koa ny an’ny Minisitry ny fambolena, Jaonina Mamitiana Juscelyno. Sa efa fambara ratsy ho an’ity kolonely Praiminisitra ity sy io Minisitra io izao ?
 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

  • Politika ao Nosy Be Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manamafy ny fitakiana PDS ny ARMA

  • ValĂ©ry Ramonjavelo
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Voatsipaka ny fangatahana

  • LEHILAHY
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

NISY FOFON-TOAKA

  • Nomen’ny ONU
  • Alarobia 23 Septambra 2026

ny hajany i Madagasikara

  • JENERALY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

RAVALOMANANA RICHARD

Hijery ny tohiny
FTT