Natolotr’Ambatovy tamin’ny fomba ofisialy tamin’ny alakamisy 3 novambra teo ireo trano vita fanarenana roa ho an’ny distrikan’i Moramanga.
Fiaraha-miasa tamin’Ambatovy sy ny distrikan’i Moramanga no nahafahana nanatanteraka ny fanarenana izay rava vokatry ny fandalovan’ny rivodoza ny volana febroary sy marsa 2012. Ambatovy no namatsy vola manontolo ny asa fanarenana ary ny distrikan’i Moramanga kosa no niantoka ny fandrodanana ireo trano tranainy sy fandaniana nifandraika tamin’ireo fanadihadiana ny tetikasa ary ny fanaraha-maso ny asa.“Natao ho an’ny vondrom-piarahamonina ity tetikasa fanarenana ny trano roa mifanila amin’ny biraon’ny distrikan’i Moramanga ity, izay mitentina 95 tapitrisa Ariary mahery, mba hahafahan’ny rehetra misitraka ireo tolotra eo amin’ny lafiny fandraharaham-panjakana tsara kalitao”, hoy ny filoha lefitra misahana ny fandrosoana lovainjafy ao Ambatovy, Philippe Beaulne. Natao handraisana ireo “Services Techniques Déconcentrés” (STD) isan-karazany sy ireo mpiasan’ny boriborintany ireto trano vao narenina ireto ary koa hanamorana ny asan’ireo mpiasan’ny raharaham-panjakana sady entina hanatsarana ireo tolodraharaha ho an’ny olom- pirenena. Anisan’ireo fandraisana anjara eo amin’ny sehatra sosialy ho fampandrosoana ny manodidina azy ny fanorenana sy fanarenana fotodrafitrasa ho an’ny vondrom-piarahamonina mampiantrano ny orinasa toy izao.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.