Actualités

Trano rava etsy Ankadimbahoaka Namoy ny ainy noho ny hatsiaka sy famoizam-po ny olona iray


  • Alakamisy 11 Septambra 2014

Nindaosin’ny fahafatesana ny alatsinainy teo noho ny aretim-po nahazo azy hatramin’ny nandrodanan’ny orinasa Filatex ny trano fonenany sy ireo mpiara-monina taminy tamin’ny volana mey 2014 ny raim-pianakaviana iray 56 taona

Hatramin’io volana voalaza io tokoa no tsy nanana trano hisitrihana intsony ireto olona rava trano etsy Ankadimbahoaka ireto ka trano lay no hitoeran’izy ireo nefa dia namirifiry be tao amin’ity toerana ity ary efa niakatra ihany koa ny rano noho ny fananganan’ilay orinasa tamboho ny toerana tokony hikorinan’ny rano.  Nampiombo ny aretina efa nikiky an’ity raim-pianakaviana ity io hatsiaka namely mafy io ka izao nitarika ny fahafatesany izao. Niray feo, nanaitra ny fitondrana amin’ny famahana haingana ny olana ara-tany mitera-pahavoazana amin’ny vahoaka manerana ny nosy Atoa Ramaroson Alain sy ny filohan’ny fikambanana Hafari, Rafanomezantsoa Jean Nirina, afak’omaly izay samy tonga nanome voninahitra ny famoahana ny razana teny an-toerana nialoha ny nitondrana azy halevina any amin’ny fasan-drazany any Vakinankaratra. Namela kamboty dimy mianadahy sy mananontena iray ity raim-pianakaviana nodimandry ity.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT