Actualités

Trano fonenan’ny Pr Zafy Albert Nisy nivarotra talohan’ny nahafatesany ?


  • Zoma 27 Oktobra 2017

Mivoaka ny resaka amin’izao fa nisy nivarotra ary efa lafo aman’olona ny « Villa Elisabeth » eny Ivandry, nonenan’ny Profesora Zafy Albert sy ny fianakaviany.

 

Amin’ny maha filoham-pirenena teo aloha azy, dia voafaritry ny lalàna 2013-001 ny fananany zo sy sata manokana amina tombontsoa samihafa, anisan’izany ny trano. Ny « Villa Elisabeth » no anjara trano nomena honenan’ny filoha teo aloha Pr Zafy Albert. Raha ny vaovao mivoaka anefa dia voalaza fa efa nisy vadintany tonga nampahafantatra an-taratasy (signification) mihitsy tao amin’i Pr Zafy Albert, andro vitsy talohan’ny nahafatesany, mikasika ny efa nahalafosan’io toerana misy ny “Villa Elisabeth”, ka tsy hisitrahany izany intsony. Tsy fantatra mazava kosa hatreto ny tompon’antoka tamin’ny fivarotana sy ny fividianana ny tany. Ny azo heverina aloha dia tsy maintsy olona mahitahita sy mety hanana fahefana matanjaka mihitsy no ao ambadika satria sarotra ny hivarotra toeram-ponenan’ny filoha teo aloha. Manana fanahiana ireo olona akaiky ny Pr Zafy Albert fa sao io toe-javatra io no namparary tampoka ny filoha teo aloha sy nitondra azy tany amin’ny fahafatesana. Tsy dia ahenoan-teny firy hatreto ireo olona akaiky ny filoha teo aloha. Ny alatsinainy 30 oktobra izao  no hanaovan’izy ireo valandresaka ho an’ny mpanao gazety, ka eo no mety hivoahan’ny antsipirihany momba ity raharaha ity. Hisy ihany koa ny fanambarana goavana ataon’izy ireo, raha ny tsilian-tsofina.

Zo sy satan’ny filoham-pirenena sy filoham-panjakana

Manana zo hanana mpitandro ny filaminana 12 hiaro azy sy ny toeram-ponenany ny filoham-pirenena sy filoham-panjakana teo aloha. Eo ihany koa ny zo hanana pasipaoro diplomatika, fiara miisa 2 isaky ny 7 taona, solika 250L isam-bolana. Ampahany ihany ireo fa mbola maromaro ireo zo sitrahan’ny filoham-pirenena sy filoham-panjakana teo aloha, araka ny voafaritry ny lalàna 2013-001. Raha mbola lasa filoham-pirenena indray dia mitsahatra ireo tombontsoa ireo, ary aorian’ny fahataperan’ny fe-potoam-piasana vao mihatra. Ny vadiny no misitraka ireo tombontsoa voafaritra raha maty ny filoha teo aloha, ary raha sanatria ka maty indray io, dia mifindra amin’ny zanany tsy ampy taona.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT