Trano fivoahana ho an’ny daholobe

Ny 20%-n’ny olona mampiasa azy ihany no manasa tanana


  • Alatsinainy 25 Novambra 2024

Ny 20%-n’ireo olona mampiasa ny trano fivoahana ho an’ny daholobe eto an-drenivohitra

ihany no fantatra fa manasa tanana rehefa avy mivoaka. Ny ankoatra izay raha araka ny fanadihadiana natao dia mandeha amin’izao avokoa. Anisan’ny mampahazo vahana ny aretim-pivalalana sy ny aretin’ny taovam-pisefoana ary ny gripa mahery eto amintsika izany raha araka ny fanazavan’ny mpitsabo iray. Toraka izany koa ny lefakozatra. Amin’ny ankapobeny mantsy dia saika avy amin’ny tanana maloto avokoa no miteraka ireo karazan’aretina tonga ao amin’ny vatana. Lohalaharana amin’ireny ny mikraoba entiny izay mety ho tonga hatrany am-bava mihitsy vokatr’izay tsy fahazarana manasa tanana izay. Tokony hanasana tanana hatrany araka izany rehefa avy any amin’ny trano fivoahana ny olona. Tokony hanasana tanana rehefa hikarakara sakafo, rehefa hisakafo…Raha vantany vao afaka manao izany ny olona iray dia tokony hanao izany hoy ny mpitsabo koa raha tsy misy aza ny savony dia mety tsara ny mampiasa lavenom-potsy.
Pati
Legende : Miantoka ny fahasalamana amin’ny ankapobeny ny fanasana tanana matetika 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Maitre Michel Le Dragon
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Mpanavotra no dikan’ny anarana hoe «Mickael»»

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT