Trano fisakafoanan’ny Coco Beach naato

Io no handaniana rondoha fa tsy ny olam-bahoaka


  • Talata 18 Martsa 2025

Nivadika raharaham-panjakana na «Affaire d’Etats » ny fanakatonana

amin’ny ampahany ny Hotely Coco Beach ao Mahanjanga, ka niverina nanao fanambarana indray ny Minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina omaly, rehefa mandeha ny tsikera mivaivay amin’ny tambajotran-tserasera. Nanamafy ny fanakatonana ny fisakafoanana noho ny fahapoizinana ara-tsakafo tsy nahy na « intoxication alimentaire » nahazo ireo olom-panjakana notarihin’ny Filoha mivady nandritra ny fanamarihana ny 8 martsa. Namafisina fa ny sakafo natolotra tamin’io sakafo atoandro io no antony niteraka ity « intoxication alimentaire » faobe ity, ary efa niala tsiny ny Hotely. Nolazaina fa vonjimaika, natao ho tombontsoan’ny besinimaro ity fepetra noraisina ity, noho ny tsy fitandremana amin’ny fitahirizana ny sakafo tao amin’ilay hotely. Fepetra efa mahazatra ary noraisina araka ny tokony ho izy amin’ny tranga toy izao, tsy misy ifandraisany amin’ny maha-iza na maha-iza an'ireo niharam-boina na ny zom-pirenen'ny tompon’ilay hotely, hoy ny mpitondra. Manamafy ny Minisiteran’ny Serasera sy Kolontsaina fa mety hiteraka loza ho an’ny fiarahamonina ny fanaparitahana tsaho sy vaovao diso. Fanambarana mitory fampitandremana ankolaka eo anatrehan’ny fanehoan-kevitra samihafa, ka nilazana fa ny fanalam-baraka amin’ny endriny rehetra, na atao amin’olona iray na amin’ny fikambanana iray, dia heloka araka ny fehezan-dalàna famaizana malagasy, ny lalàna momba ny serasera ary ny lalàna mifehy ny heloka anaty tambajotran-tserasera, araka ny fanambarana nataon’ny Tale Jeneralin’ny Serasera Botomiarina Donald Judicaël Tavao. Mahafafa ny ahiahy amin’ny fisiana ambadika politika ve? Marina ve fa tamin’ny nanao famandrihana dia mba nangataka omena « avance » ilay hotely hamandrihana ny latabatra fa olona maro no hisakafo saingy tezitra ilay olona nanao reservations fa hoe Filoha ve dia hangatahana avance ? Marina ve fa sendra niteny tsy nahy ilay mpiasa nandray ny « réservations » ka niteny hoe : "ny Fanjakana efa malaza tsy mahaloa « prestations » ka maka « précautions » izahay satria latabatra sy sakafo maro no tsy maintsy fandrihana mialoha..." ? Tsy afa-po ny Mpitondra fa mamaly amina seraseram-panjakana ofisialy. Tsy mba ny olam-bahoaka : vidim-piainana, tsy fandriampahalemana, fahantrana, tsy fananan’asa,… no mba handaniana rondoha tahaka izany !
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT