Trano fandraisana lanonana

Miaina krizy, zara raha misy manofa


  • Alatsinainy 24 Febroary 2025

Raha volana Desambra dia efa saika feno ny andro Sabotsy sy Alahady hanaovana mariazy sy hifampiarahabana

nahatratra ny taona vaovao teo aloha ho an’ireo trano fandraisana lanonana dia tena maina tanteraka izany ankehitriny. Nihena hatrany amin’ny 60% ny mpanjifa raha araka ny fanazavan’ny mpitantana trano fandraisana lanonana iray eto an-drenivohitra ka ireo mifampiarahaba nahatratra ny taona no tena tsy misy. Tsy misy manao izany intsony ireo orinasa lehibe izay mpanjifan’izy ireo teo aloha. Mikaikaika vokatr’izany izy ireo, ampian’ny andro ratsy izay mampihemotra hatrany ireo orinasa…tokony hanao fety. Nambarany moa fa vokatry ny hasarotan’ny fiainana avokoa no mahatonga izany. Izy ireny rahateo somary nampiakatra kely ny vidin’ny sakafo arosony noho ny fidangan’ny vidin’entana eny an-tsena. Raha 50.000 Ar isan’olona teo aloha mahavita hatramin’ny ody ambavafo dia efa niakatra 55.000 Ar ankehitriny. Nambaran’ity mpitantana trano fandraisana lanonana iray ity moa fa mety tsy hahavelona ankohonana intsony ny asa sahanin’izy ireo atsy ho atsy raha mitohy izao. Ho an’ireo mpanao mariazy indray dia fantatra fa tamin’ny fiandohan’ny volana Janoary no mba nisy kely dia nangina tanteraka hatramin’izao faramparan’ny volana Febroary izao.
Pati
Legende : Mihena hatrany ny mpanjifan’ireo trano fandraisana lanonana !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT