Hatao mitovy endrika avokoa manomboka izao ireo trano rehetra haorina ao amin’ilay tanàna vaovao natsangan’ny fikambanana HAFARI Malagasy eny Soaniedanana PK 67 lalam-pirenena fahefatra.
Notanterahina omaly ny hady fototra, notarihin-dRafanomezantsoa Jean Nirina, ampaham-potoana nohararaotina nandritra ny fametrahana ny vato fototry ny fiangonana FJKM vaovao ao an-toerana. Nasaina nanatrika ny lanonana ry zareo eo anivon’ny foibe FJKM sy ireo mpitarika eo anivon’ny fiangonana Fjkm Ziona Anosibe izay tsy nitsahatra ny nanatanteraka vondrom-bavaka tany an-toerana nandritra ny fotoana namitan’ny filoha nasionalin’ny HAFARI Malagasy ny saziny tany am-ponja. Nivoitra tao fa hitohy hatrany ny asa fanasoavam-bahoaka hotanterahin’ny fikambanana. Lohalaharana, ohatra, ny fijerena akaiky ireo ady tany, ny olana ara-tokantrano, ny resaka vola fisotroan-dronono ho an’ireo zokiolona ary koa ny momba an’ireo olona nindram-bola tany amin’ny banky nefa tsy manana fahafahana ny hamerina, fitarainana marobe efa voarain’ny fikambanana eo am-pelatanany sahady, taorian’ny nisokafany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.