Actualités

Trano 3 kilan’ny afo tany Antsirabe Tsy hita indray ny mpamonjy voina


  • Alatsinainy 06 Novambra 2017

Efa nampoizina fa tsy natao ho an’ny sarambabem-bahoaka ilay mpamonjy voina tokana an’ny orinasa tsy miankina ao Antsirabe fa ho an’ny karana sy ny mpanambola ihany.

 Nitrangana hain-trano indray mantsy tany an-toerana omaly alahady maraina 5 novambra, tokony ho tamin’ny 3 ora. Vokany, trano 3 no kila tsy nisy noraisina niaraka amin'ny entana sy ny fananana rehetra tao anatiny. Tsy nisy afaka nitondra fanazavana marina momba ny niandohan’ny afo ny mponina satria mbola alina ihany no nisehoany ary ny tao anatin'ireo trano miisa 3 ireo rahateo mbola tao anaty torimaso avokoa. Ny horakoraky ny olona no nanaitra azy ireo sy nahita fa efa afo mijoalajoala no nisy. Tranon'olona tsotra izay mpanofa no tao anatiny ny iray. Ny iray mpivarotra arina fandrehitra. Fivarotana zava-pisotro kosa ny iray. Raha ny fanazavana hafa dia voalaza fa ilay fivarotana saribao no niandohan’ny afo ary niitatra tamin’ireo trano roa hafa. Niezaka namonjy ny olona, saingy tsy nisy azo natao. Nilaza ny mponina nanatrika ny zava-nitranga fa na dia efa nantsoina im-betsaka aza ilay fiara mpamonjy voina ana orinasa tsy miankinna iray dia tsy nivoaka. Voalazan’ireo mponina fa tsy mbola niitatra ny afo no efa nantsoina izy ireo. Tsy ampy 20 minitra akory anefa ny nivoahany rehefa ilay karana mpanao mofo no lasibatra tao Antsirabe, vao tsy ela akory izay. Efa misy ihany ilay natolotry ny Koreanina sy ny BNGRC, izay ao amin’ny lapan’ny faritra no mipetraka saingy tsy mbola miasa fa mbola hiandrasana fampielezan-kevitra angamba ! 

Caius R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT