Trano 11 ravan'ny ny afo

teny Bemasoandro Nitondra fanohanana


  • Alatsinainy 18 Mey 2026

ny Faritra Analamanga

Nidina ifotony avy hatrany ary nanolotra fanampiana sy nankahery ireo fianakaviana niharam-boina noho ny haintrano mampalahelo niseho ny faha-15 mey 2026 tao amin’ny Fokontany Anosimasina, Kaominina Bemasoandro, ny Faritra Analamanga, izay notarihan’ny Lehiben'ny Faritra Analamanga mpisolo toerana, RAHARINIRINA Clémence. Navesatra ny fahavoazana tamin’izao loza izao, saingy soa ihany fa tsy nisy ny aina nafoy. Trano 11 no hotohoton'ny afo, izay nahitana ankohonana 11 isa misy olona 45. Anisan’izany ny ankizy 19 (zazavavy 09 sy zazalahy 10) ary vehivavy bevohoka 1. Nitondra fanampiana ho vatsy sy kojakoja maro ny Faritra ho fanampiana sy fanamaivanana ny fahasahiranan'ireo mpiray tanindrazana, nahitana bidon, kojakojan-dakozia (vilany, sotrobe, sotro, sotro rovitra, koveta, zinga, kaopy), vary 12 gony, bodofotsy, ary fitaovam-pianarana ho an'ny mpianatra (kahie, penina fanoratana, pensily hazo, "compat", fitsipika karazany maro, kitapo). Samy mahazo anjara tamin'izany avokoa ireo tokantrano niharam-boina rehetra. « Misaotra anao Lehiben'ny Faritra, rehefa tojo olana toy izao dia tsy hita izay sarangotina, dia faly izahay manana ray aman-dreny toa anareo. Misaotra anao ny Kaominina Bemasoandro satria efa nijoro foana ianao dia mbola mijoro hatramin'izao. », hoy ny Ben'ny tanànan’ny Kaominina Bemasoandro, RANITRATSILO Jimmy. Ankoatra izay, nanararaotra nampita ny fitarainan’ny mponina manoloana ny tondra-drano koa ny Ben’ny tanàna, satria mahatratra 500 isa isan-taona ny olona traboina ao an-toerana noho ny fisian'ny lakandrano (canal) tokony hovelomina kanefa tsy hitan'izy ireo hoe atao ahoana. Nisaotra ny Faritra Analamanga ihany koa ireo fianankaviana niharam-boina. Andaniny, « Eo anilantsika mandrakariva ny Fitondram-panjakana. Vantany vao nitranga ny loza dia efa nandray fepetra izahay eo anivon’ny Faritra Analamanga ka tonga eto mankahery anareo sy mitondra fanampiana. Ny asa rehetra izay ataonay dia mifanaraka hatrany amin'ny politikan'ny fanjakana, mijery ny sosialy sy manakaiky vahoaka. », hoy Rtoa Raharinirina Clémence. Tafiditra anaty politikan'ny Fitondranam-panjakana, hoy izy, ny fiahiana ny ara-tsosialy ka anisany izao. Nanao antso avo ny Lehiben'ny Faritra mba hitandron’ny rehetra amin’ny fampiasana afo satria fotoan'ny main-tany izao ka mora mitera-doza izany. Nampanantena ny RAHARINIRINA Clémence fa handefa teknisiana hidina ifotony hijery izay azo atao hanampiana ireo mponina amin’ny resaka tondra-drano, ary naneho fa eo anilan'ireo kaominina foana ny faritra amin'ny resaka sosialy, fotodrafitrasa, lalana,...
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT