Afaka misolotena ny birao misahana ny ady amin`ny kolikoly (BIANCO) ankehitriny ireo biraon` ny zandarimariam-pirenena ankehitriny. Efa nahazo fiofanana manokana ho “officier de police judiciaire”
(OPJ) ireo zandary. Noho izany, raha misy trangana kolikoly, dia afaka manatona ireo tobin` ny zandary ny olom-pirenena, indrindra any amin` ireo toerana tsy tonga ny fiara na koa saro-dalana, raha misy fitarainana tiana apetraka.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.