Actualités

Trangam-piarahamonina Vehivavy niady lehilahy, nifanindrona antsy


  • Alatsinainy 14 Jolay 2014

Sady mampalahelo no mahamenatra ny zava nitranga ny sabotsy teo tany Ambatolampy. Tratran’ity vehivavy iray niresaka tamina tovovavy ny vadiny

Tsy nisy fanazavana na fanontaniana fa avy hatrany dia nody naka antsy ilay tompom-bady. Tsy nisy andrasoandraso fa avy dia notsondroniny ilay tovovavy. Tsy afaka niaro tena akory ity farany satria tampoka loatra no sady tsy nanampo na inona na inona. Raha ny fanazavana azo dia mbola afaka nanohitra kely ihany anefa izy, sady mbola nahavita nanontany ilay rangahy hoe : “ahoana izao ?”, saingy noho ny ra very be loatra dia tsy ampy intsony ny heriny ka avy hatrany dia niankarapoka tamin’ny tany. Nentina faingana teny amin’ny hopitaly izy taorian’izay. Raha ny fahitan’ny nanatri-maso ny zava-niseho dia tsy lavitry ny fon’ilay tovovavy no voatsindrona ka hatahorana ny ainy. Ilay nanindrona kosa nalefa eny amin’ny mpitandro ny filaminana niaraka tamin’ny vadiny.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT