Mbola anisan’ny fomban-tany any Atsimo hatramin’izao ny faneken’ny ray aman-dreniny sasany ny zanany hanambady aloha na dia mbola tsy vonona ho reny aza, satria hono mila taranaka hitondra ny anaran-dray ny fianakaviana. Rehefa manomboka ho vory tratra ny ankizy dia efa manana tokantrano sahady. Vao teraka aza dia efa misy mitily ho vady indray andro any. Raikitra ny tera-bitro avy eo. Mitombo ny vava homana ka fahantrana lava no misy. Trangam-piaraha-monina iray ity aroso ho anao mpamaky ity. Tsy mampino hoy ianao, nefa zava-misy.
11 taona dia efa renim-pianakaviana sahady
Zazavavy 14 taona iray monina ao Anketa amin’izao, tanàna iray manamorona ny lalam-pirenena fahafito iny, any amin’ny Kaominina Andranovory ao anatin’ny Distrikan’i Toliara II, no manan-janaka telo. Vita fomba ara-drazana ara-dalàna izy mivady ireto. Vao 15 taona ilay tovolahy no nanambady an’ity ankizivavy ity. Mamboly sy miompy no asa fiveloman’izy roa kely, ary hajain’ny olona eo an-tanàna. Mieritreritra ny hisora-panambadiana ara-panjakana izy mivady ireto, raha ny fanazavana azo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.